<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Ch. Rasoanaivo</author>
<hymn_number>97</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 'Lay fonao tia tao Gologota
 No velona ao an-tsaiko izao.
 Ny fonao 'zay mitady
 mpanota,
 No voaratra indrindra tao.
 Ry fo malala, nihafy loatra,
 Lavitra ny mpangoraka Anao.

[V2]
 Indro ny lefona koa mamely
 Ka notrobarana Hianao!
 He ! malahelo ireo anjely,
 Fa naharary re ny fonao !
 Io no fitia tsy misy toa azy,
 Zaran'izao rehetra izao.

[V3]
 Efa hisoka ny antoandro,
 Menatra izao tontolo izao ;
 Tsy ela intsony dia maizina
 andro
 Kalvary 'zay nihantonanao !
 Fa izaho tsy mba hangataka
 andro
 Hampiantrano ny tenanao.

[V4]
 Tsy sasatra na valaka koa,
 Ny fonao tia, ry Tompo ô ;
 Menatra izao ity foko tsy soa.
 Tsy hahavaly tokoa Anao ;
 Nefa ampio aho hanaiky,
 Hanatontosa 'zay sitrakao.</lyrics>
<title>Lay fonao tia tao Gologota FFPM97</title>
</song>